Corée du Sud : Nodimandry omaly maraina ny pastera David Yonggi Cho
Ny marainan’ny talata teo tamin’ny 7 ora maraina no maty teo amin’ny faha 85 taonany ny pastera David Yonggi Cho. Namorona ny fiangonana Assemblées de Dieu na ny Yoido Full Gospel Church ny tenany. Teo amin’ny faha 17 taonany izy no niova kristiana ary anisan’ireo nitondra ny fifohazam-panahy tao an-toerana.Trano lay no nataony fiangonana tany am-piandohany, tamin’ny taona 1964, izay nataony tao an-tokontany. Olona 50 no mbola niangona tamin’izany. Efa mahatratra 800 000 hatramin’ny iray tapitrisa kosa izany ankehitriny ar efa miely maneran-tany. Ankoatra ny naha pasitera nampiangona azy dia nampianatra sy nanao fahagagana ihany koa ny tenany.
