La Réunion : Tafiditra ao amin’ny « loto du patrimoine 2023 » ny trano fiangonana taloha Sainte-Jeanne d’Arc
Isan’ireo toerana (monument) 18 voafantina tamin’ny « loto du patrimoine 2023 » ny trano fiangonana taloha Sainte-Jeanne d’Arc ao Saint-André. Efa tany amin’ny taona 40 io toerana io no nampivondrona ireo mpino tao an-toerana. Voasokajy ho toerana manan-tantara izy nanomboka ny taona 2012 saingy ravan’ny rivodoza Fakir tamin’ny taona 2018.
Ny « loto du patrimoine » moa dia lalao entina hanangonana vola omena ny « Fondation du patrimoine » hanavaozany toerana manan-tantara na tsia heverina fa efa rava. Iray amin’ireo toerana voafantina ireo ihany nefa no hisitraka izany. Ho avaozina ho lasa toeram-pampiantranoana hetsika javakanto, hanaovana fihaonambe, atrikasa ary seho samihafa kosa ny fiangonana taloha Sainte-Jeanne d’Arc raha voafidy amin’ireo voafantina miaraka aminy.
