Dépêches

Loza an-dranomasina tao Ambilobe: Olona miisa 15 amin’izao fotoana no efa naiditra am-ponja.

Dépêche 22 mars, 13h, Amin’izao fotoana izao dia mbola eo andalam-pikarohana ilay tena atidoha nikotrika iny fitondrana olona natsokosoko ho any Mayotte iny ny mpitandro filaminana. Marihina moa fa nahafatesana olona miisa 24 iny loza an-dranomasina iny. Efa nisy ny fanadihadiana izay natao tamin’ny olona miisa 18 ka ny 15 tamin’izy ireo dia efa niatrika ny fitsarana ary efa naiditra am-ponja raha afaka madiodio kosa ny 3 ambiny. Efa miparitaka any ny didy fikarohana ireo tompon’andraikitra voalohany momba iny raharaha iny amin’izao fotoana izao.

Laisser un commentaire