Dépêches

Jirama: Nahitana solony sahady ireo Tale izay nohesorina tamin’ny toerany

Dépêche 02 novembre, 11h, Taorian’ny fanadihadiana izay nataon’ny Mpiandraikitra ny ady amin’ny kolikoly dia nisy ireo Tale sy tompon’andraikitra ambony namoahana didy fampisamborana ary nisy ireo izay efa nalefa eny Antanimora. Fotoana vitsy taorian’izay anefa dia efa nahitana solony sahady ireo Tale ireo izay mpiasa tao anatin’ny orinasa ihany. Nisy ny fiantsoana fitadiavana izay hasolo ireto Tale ireto teo anatin’ny orinasa ihany ka efa nisy araka izany ny tombana izay natao nahafahana namoaka ireo anarana izay handray ny toerana. Ny fiandohan’ny herinandro manaraka io no havoaka amin’ny fomba ofisialy izany.

Laisser un commentaire