Jordanie : Matahotra ny tsy ho tafody intsony ireo mpitsoa-ponenana avy any Syrie
Tsy vonona ny hiverina hody any amin’ny toerana niaviany intsony ireo mpitsoa-ponenana syriana manodidina ny 1,3 tapitrisa, monina ao Jordanie. Mbola tsy ahitana filaminany hoy izy ireo ny raharaha ady any Syrie. Aleon’ny ankamaroan’izy ireo arak’izany mijanona ao Jordanie izay misy fari-piainana tsaratsara kokoa. Folo taona taorian’ny nanombohan’ny revolisiona, tsy mbola mandry ny tany ao Syrie hatramin’izao. Maro amin’ireo syriana tonga ao Jordanie amin’izao fotoana no mbola mitondra ny takaitra navelan’ny ady ka mitsabo tena ao Amman, renivohitra Jordaniana. Mandray ireo mpitsoa-ponenana tapa-tongotra na tapa-tanana vokatry ny ady ny distrikan’i Zouhour ao Amman. izao no atao mba entin’izy ireo manampy ireo mponina syriana mipetraka ao Jordanie. Monina ao Zouhour avokoa arak’izany ireo izay maratra mafy ka mila fanaraha-maso. Maro amin’ireo syriana no matahotra mafy sao tsy tafaverina an-tanindrazana intsony vokatry ny ady lava reny misy ao Syrie.
