ActualitésTatitra

Sénégal : Mitomany ho an’i Tione Seck, mpanjakan’ny mbalax sy ny mozika.

Nodimandry teo amin’ny faha 66 taonany, ny alahady 14 martsa teo i Tione Ballago Seck (Tione Seck), mpihira sady mpamoron-kira senegalais. Raha ny vaovao, aretina azony nandritra ny fotoana fohy nidirany am-ponja ny taona 2015 no nitarika ny fahafatesany. Tao Dakar no nahatapitra ny ainy raha araka ny vaovao voaray avy tamin’ny mpisolo vavany, Maitre Seye. Anisan’ny mpihira nalaza niaraka tamin’i Youssou Ndour, Omar Pène, ismaël Lô na ihany koa ny zanany lahy Wally Seck i Tione Seck. Naneho ny alahelony avokoa ireo mpankafy sy ny mponina ao Senegal raha vantany vao nahare ny fahalasan’ity kintan’ny mozika senegalaise ity. Raha tsiahivina, voarohirohy tamina resaka vola sandoka i Tione Seck ny taona 2015. Niditra am-ponja vonjy maika nandritra ny 9 volana izy tamin’izany fotoana. Tamin’ny fiandohan’ny volana martsa kosa, notsoahan’ny fitsarana avo ao Senegal avokoa ny antontan-taratsy fanamelohana azy, hoy i Ousmane Seye, mpisolo vavany, ny alahady 14 martsa tamin’ny AFP. Araka ny fampitam-baovaon’ny haino aman-jery senegalais, ao amin’ny fasana musulmana ao Yoff no handevenana azy amin’ny alahady ho avy izao.

Laisser un commentaire