Sabotsy Namehana : Noraisin’ny ben’ny tanàna ny lehiben’ny tobim-paritry ny zandary vaovao
Noraisin’ny ben’ny tanàna sy ireo mpiara-miasa aminy, mpanolo-tsaina ao amin’ny kaominina Sabotsy Namehana, ny Adjudant-Chef Rakotonirina Zoé, izay voatendry ho lehiben’ny tobim-paritry ny zandarimariam-pirenena vaovao, hiasa sy honina ao an-toerana.
« Faly ny kaominina mandray azy ireo, izay anisan’ny tandroka aron’ny vozona, koa mirary soa hahaleo, hahalasa eo amin’ny adidy mavesatra eo amin’ny fitandroana ny fandriampahalemana eto an-tanàna » hoy ny ben’ny tanàna ao Sabotsy Namehana.
« Efa manjaka tokoa ny tsy fandriam-pahalemana ety amin’ny faritry sabotsy namehana koa manantena an’ireo zandary vaovao hitondra fandriam-pahalemana ety an-toerana amin’ny alalan’ny asa izay ampandraiketina azy ireo » hoy i Nirina, mponina ao Sabotsy Namehana.
Anisan’ny vahaolana enti-miady amin’ny tsy fahandriam-pahalemana tokoa ny fametrahana olom-boantendry vaovao, hitondra vahaolana ho an’ny olan’ny tsy fahandriam-pahalemana. Ny fanalefahana ny asan-jiolahy no hetahetan’ny mponina amin’izao, mba hanatanteraka ny asa maha mpitandro filaminana azy tokoa ireo zandary
Manitra Ramanantsoa
