Japon : Hiverina hisokatra malalaka ho an’ny mpizaha tany ny sisin-tany
Hiverina hisokatra malalaka amin’ireo mpizaha tany vahiny i Japon ny sisin-tanin’i Japon rehefa nihidy nandritry ny 30 volana mahery noho ny valan’aretina covid-19. Raha tsiahivina dia efa nisokatra ho an’ireo nanana « visa » mpianatra, mpiasa, fianakaviana, PTV (visa vacance travail) izany ny 1 martsa teo.
Ny 10 jona teo kosa no nisokatra ho an’ny mpizahan-tany ny sisin-tany saingy narahina fepetra entitra izany dia ny fananan’ny vondron’ny mpizahan-tany mpitari-dalana manaraka azy foana. Nanomboka ny 7 septambra teo kosa vao nofoanana izany fepetra izany saingy tsy maintsy mandalo masoivoho misahana ny dia ao Japon manana fahazoan-dàlana toy ny « Keikaku » avokoa ny famandrihana rehetra miaingana any amin’ny sidina.
Nanomboka ny 11 oktobra izao kosa dia ho foana izany fepetra rehetra izany. Azo atao ny mifamezivezy malalaka ao Japon manomboka amin’io daty io saingy tsy maintsy mampiseho ny karatra vaksiny (triple vaccination) sy fitiliana miiba ny covid-19 ireo mpitsidika.
