ActualitésTsidika

Ambohitrimanjaka: Manjaka ny tsy fahandriam-pahalemana amin’ny alina

Manjaka ny tsy fahandriampahalemana eny amin’ny faritra Ambohitrimanjaka, indrindra fa amin’ny alina. Nisehoan’izany ny harivan’ny alahady lasa teo; fiara iray no nisy nitoraka vato teo am-pandehanana, teo amin’ny rocade sampanana Ambohitrimanjaka.

“Teo amin’ny tandrifin’ny mpamily no voatoraka saingy tsy nijanona fa nandeha hatrany nanohy ny diany ny mpitondra fiara. Miisa 8 ireo olona tao anatiny izay niparitahan’ny vovom-pitaratra. Lalana efa fandehanana isanandro io lalana kanefa izao sendran’ny fikasan-dratsy izao” hoy ireo olona niaran’ny asa ratsy.

“Matetika no hisehoan’ny tranga fanafihana fiara toa izany eny amin’ny lalana Ambohitrimanjaka eny. Tsy mitsahatra mitaraina ireo mpampiasa ny lalana indrindra amin’ny alina satria efa ela no niaina tanaty tebiteby amin’ny hafitsoky ny olon-dratsy amin’ny alina” hoy I Setra, mponina Ambohitrimanjaka.

Ny fanamafisana ny fisafoana ataon’ny mpitandro filaminana amin’ny alina no tena andrandrain’ireo mponina eny an-toerana, efa mihatra aman’aina tokoa ny tsy fandriampahalemana. Tokony omena sazy na giazana ihany koa ireo tratra mivezivezy amin’ny alina hisorohana ny loza, izay tsy miseho amin’ny endrik ivelany intsony ireo mpanao ratsy ankehitriny.

Manitra Ramanantsoa

Laisser un commentaire