CultureTsidika

Bahoejy : dihy Nentin-drazana malagasy avy any Sofia

Ny bahoejy dia dihy Tsimihety niforona tao amin’ny faritry Sofia, izay mitondra ny anaran’ny olona namorona azy. Amin’ny fotoana rehetra no handihizana ny bahoejy. Ahitana azy ihany koa ny faritry Melaky sy Boeny.

Tanora lahy sy vavy no tena mandihy azy ity. Dihy henjakenjana, indraindray mifampisintona amin’ny sandry, indraindray somary mipetraka ka ampifandonina ny soroka. Ilàna hakingana ny bahoejy.

Misikina lambahoany ny mpandihy ary tsy miakanjo ny lehilahy fa ny vehivavy kosa ambony akanjo miloko rano iray. Hazolahy sy angorodao ny zava-maneno ampiasaina amin’izany.

Manitra Ramanantsoa

Laisser un commentaire