Etats-Unis : Serana Williams, efa manakaiky ny fisotroan-dronono
Vehivavy voasokajy anisan’ireo mamiratra indrindra eo amin’ny taranja Tennis i Serana Williams. Nanambara nefa izy fa hitsahatra amin’izany taranja izany tsy ho ela. 40 taona i Serana Williams amin’izao fotoana ary manana anaram-boninahitra 23 amin’ny « tournois du Grand Chelem » izy.
Misy fotoana eo amin’ny fiainana haindrasana fanam-pahan-kevitra hanovana ny lalana hoy io vehivavy manana ny lazany amin’ny taranja Tennis io, nandritra ny fanadihadiana nataon’ny gazety marofaly Vogue azy. Hifantoka bebe kokoa amin’ny andraikitra maha-reny azy raha ny fanazavana ary hifantoka ara-panahy kokoa, hikaroka Serena vaovao.
