Nigeria : Olona valo no maty nandritra ny fanafihana indroa misesy nataon’ireo vondrona mpampihorohoro
Nitrangana fanafihana indroa misesy indray tany avaratra atsinanan’i Nigeria izay nataon’ireo vondrona mpampihorohoro ny sabotsy 1 mey sy alahady 2 mey lasa teo. Olona iray no maty nandritra ny fanafihana ny sabotsy ary 7 be izao no maty ny andro faharoa. Ny sabotsy alina teo, nisy mpiady avy amin’ny vondrona islamika no nirohatra tamina fiara enina be izao nanafika tany Rann, izay 172 km miala an’i Maiduguri. Ny alahady maraina kosa, mpampihorohoro nandeha fiara sy kodiaran-droa no tany Ajiri, izay 20 miala an’i Maiduguri. Manomboka matahotra amin’ny asan’ny mpampihorohoro i Nigeria amin’izao indrindra fa taorian’ny nahafaty an’i Idriss Déby Itno izay niady tamin’izany asa fampihorohoroana izany.
