France : Dingana voalohany amin’ny fialàna amin’ny fihibohana
Atomboka amin’ny fialana amin’ny fepetra amin’ny fifamoivoizana sy ny fivereran’ireo mpianatry ny kolejy sy ny lisea ny dingana voalohany fialana amin’ny fihibohana manomboka androany alatsinainy 3 mey. Tao anatin’ny roa herinandro nampiharana ny fampianarana am-pitain-davira, ny 5 hatramin’ny 12 aprily, miampy fialan-tsasatra roa herinandro, 13 hatramin’ny 25 aprily, naverina an-dakilasy indray ireo mpianatry ny lisea izay mety am-pitain-davitra ihany indraindray. Fa ny kolejy kosa no miditra tsikelikely aloha. Nialana kosa ny fepetra mikasika ny fandraràna ny fifamoivoizana mampifandray faritra roa ary fepetra nilaza ny fangalana fahazahoan-dalana vao afaka mivezivezy. Mbola mitohy kosa ny fepetra hafa toy ny fetran’ny ora fivoahana, izay hatramin’ny 07 ora hariva, fa miandry amin’ny 19 mey kosa ny fanemorana izany ho amin’ny 9 ora alina. Dingana efatra no ho atao ialàna amin’ny fihibohana izay manomboka ny 3 mey ka hatramin’ny 30 jiona izao, arakaraka ny fivoaran’ny toe-draharaha misy.
