ActualitésTsidika

Fitaterana an’habakabaka : Ny orinasa Hary indray no hitantana ny seranam-piaramanidina ao Mahanoro

Tontosa ny lanonana famindram-pahefana ara-pomba ofisialy ny fitantanana ny seranam-piaramanidin’i Mahanoro teo amin’ny orinasa Adema SA sy ny Hary. Vao nohavaozin’ny Adema SA ny tranon-tseranana sy ny piste mirefy 1350 m.

« Mila tohizana ny fanankinana ny fitantanana ireo seranam-piaramanidina madinika amin’ny sehatra tsy miankina. Efa vita ny soniam-pifamindram-pitantanana teo amin’ny roa tonta. Ny orinasana Hary indray no hitantana azy izay mpandraharaha eto an-toerana ihany » hoy ny avy ao amin’ny Ministeran’ny fitaterana sy ny toetr’andro. « zMiavaka tokoa ny seranam-piaramanidin’i Mahanoro noho izy tsy lavitry ny fitaovam-pitaterana rehetra misy eto an-toerana » hoy i Jeannot, mponina ao Mahanoro. « Maro ny tetik’asa ho tanterahina entina eto amin’ity seram-piaramanidina ity hampandrosoana ny tanàna. Hoezahina hitarina ny seranana » hoy ny avy ao amin’ny orinasa Hary.

Ny fananganana ny « master plan » no dingana manaraka eto amin’ity seranana ity. Hirariana mba hampandroso ny tanànan’i Mahanoro sy ny faritra Atsinanana izao fanovana izao. 

Nicole Rafalimananjara

Laisser un commentaire