Ambohimangakely : Hisy ny hetsika ho an’ireo mpandraharaha rehetra
Tontosaina isaky ny volana novambra manerana ny firenena 123 eran-tany ny hetsika « Global Entrepreneurship Week », ary tafiditra ao anatin’izany i Madagasikara. Hetsika hanomezan-danja ireo tanora mpandraharaha sy manana eritreritra hitondra zava-baovao eto amin’ny firenena izy ity.
Maro ny hetsika ho hita mandritra io hetsika iray io izay hitaritan-dalana ireo tanora sahady hisehatra amin’ny fandraharahana. « Ho tanterahina any amin’ny Kaominina Ambohimangakely ny GEW eto Madagasikara amin’ity taona ity ny 8 hatramin’ny 14 Novambra izao » hoy i Ando, mpikarakara. Ilaina eto amintsika tokoa ny fanomezan-danja ny fandraharahana mba hampihenana ny tahan’ny tsy fahampian’ny asa. « Miainga amin’ny famoronana ny fandraharahana ka tsara raha misehatra amin’izany ny tanora rehetra satria sady any amin’ny sehatra tiany izy no miasa sy mahazo vola satria efa eo am-pelatanany ny safidy » hoy i Luc, mpandraharaha Malagasy.
« Matetika sakana mampikatso ny tanora amin’ny resaka tetik’asa ny vola ka io herinandron’ny fandraharahana eny Ambohimanagkely io no fanararaotana izany satria hisy mpamatsy vola ho avy amin’io, hisy mpisehatra amin’ny fandraharahana maro amin’io ka ho mora ny tari-dalana ho an’ny tanora » hoy ny Ben’ny tanànan’Ambohimangakely, Radafindranaro Thierry. Ny fandraharahana dia fanatanterahana ireo nofinofy ho azo tsapain-tanana ka sady hitondra fampandrosoana ny tena sy ny firenena no hivelomana hanatsarana ny fari-piainana. Tsy mifidy diplaoma na taona ny fandraharahana fa afaka manao izany avokoa ny olon-drehetra.
Nicole Rafalimananjara
