ActualitésTsidika

Alasora : Nipoaka ny vatoaratra

Nanaitra olona tokoa ny fipoahana bateria izay nitranga tao amin’ny fokotany alasora ny maraina teo tokotokony tamin’ny roa maraina teo hoeo, tao Miadana ambany. Tsy fantatra mazava izay tena antony nahatonga izany raha ny loharanom-baovao azo fa dia nanaitra olona maro tokoa raha ny filazan’ny mponina tao an-toerana, anisan’izany i Nantenaina izay mpiray vodiririndrina amin’ilay tompon-trano. « Mety ho tsy fitandremana izany » raha ny teniny.

« Sao dia hadinon’ilay tompon-trano kosa ary nanala an’ilay izy alohan’ny nandehanana natory ?  » hoy, Mirana Randria namaly izany tao amin’ny tambazotran-tserasera facebook. Niteny kosa i Gabriel Rak fa sao dia noho ny fahatapahan-jiro no nahatonga izany ? i Kanto Randria ary moa dia nahavita niteny mihitsy hoe « sao kosa ary vao sambany nampiasa bateria ilay olona e ? »

Hoy i Patrick, mpianatra mpikaroka momba ny herin’aratra : « ilaina foana ny manatsoaka ny zavatra rehetra alohan’ny handehanana hatory, ialana amin’ilay loza tampoka toy ity niseho tamin’ny maraina ity ».

Anisan’ny tena ilaina ny fifanampiana rehefa misy tranga tahaka ireny sao nisy naratra, nisy entana may ohatra teo akaiky teo, namonjy azy ireo tao arak’izany ny mpiray vodirindrina. Ilaina fahamailoana koa anefa ny zavatra rehetra. Aleo hoan’ny olona izay mahay sy mampiasa izany ihany no hampiasa fa tsy izay rehetra manana nefa tsy mahalala ny fomba fampiasana azy akory.

Murielle Andrianasoloniaina

Laisser un commentaire