ActualitésTsidika

Sabotsy Namehana: Mangataka fanamboarana ireo lalana simba ny mponina

Anisan’ny olana sedrain’ny ankamaron’ny mponina amin’izao fotoana izao ny fahasimban’ny lalana, indrindra ny eny amin’ny kaominina ambanivohitra. Tahaka izay indrindra, mitaky ny fanamboaran-dalana,  izay efa tsy ny nisy fanamboarana efa ela ny ao Amorondria, kaominina Sabotsy Namehana.

« Lalana be mpampiasa  ary hivezivezen’olona maro ity lalana ity. Efa nisy ihany ny fiaraha-mientana teo amin’ny mponina tamin’ny fanamboarana azy saingy tsy vita hatamin’ny farany ka hanaovana fangatahana amin’ny kaominina mba hamita izany satria efa nahavita izay vita ihany ny mponina » hoy i Tahiana, mponina ao Sabotsy Namehana.

 » Ankoatra ity lalana ity dia maro ireo lalana any amin’ny fokontany hafa mila jeren’ny tomponandraikitra akaiky ary hitondrana fanamboarana satria ny lalana no antoky ny fampandrosoana, hampiasain’ny tantsaha hamoahana vokatra” hoy I Pascaline, mpamboly.

Ao anatin’ny tamberin’andraikitra tokony ataon’ny kaominina amin’ny vahoaka tokoa ny fanamboarana lalana na foto-drafitr’asa manaraka ny filàn’ny vahoaka. Miandry ny fandraisana fepetra avy amin’ny tomponandraikitra araka izany ny mponina.

Manitra R.

Laisser un commentaire