Orinasa Jirama :Efa miparitaka eny anivon’ny kaominina tsirairay ireo « agent de proximité »
Ho fanatsarana ny fomba fiasa eo anivon’ny orinasa JIRAMA dia nisy ny fametrahana olona tompondraikitra handray ny fitarainan’ny olona. Efa samy manana olona afaka hanatonana daholo ny tsirairay raha mahita tsy fahatomambanana amin’ny resaka jiro sy rano ny mponina. Ao anatin’ny pejy fesibokin’ny orinasa no ahitanany fitsinjarana ny toerana. Tahaka izao ny andraikitran’ireny olona napetraka ireny arakin’ny fanazavana teo anivon’ny orinasa JIRAMA : « Maso sy sofina eny anivon’ny fiarahamonina. Mandray sy mampita ny fitarainana rehetra mahakasika ny jiro sy rano. Manaraka fanantontosana ireo fitarainana ary manao fampahatsiahivana ireo olana mbola tsy voavahan’ny teknisianina. Manamafy ireo mpiasa mandray antso amin’ny laharana maitso 547, izay misahana manerana an’i Madagasikara. »
Dingana lehibe amin’ny fanamafisana ny fiarahamiasa amin’ny vahoaka ataon’ny orinasa JIRAMA izao hetsika izao. Manafaingana ny famahana ny olan’ny mponina ny fisian’ireny olona ireny. « Tsara be ilay fandraisana andraikitra nataon’ny orinasa JIRAMA izao. Betsaka ny olona no tsy manam-potoana be loatra hankanesana eny amin’ny birao. Ka ny fisian’ny olona miandraikitra toy izao dia hanampy anay amin’ny famahana ny olana mahazo . Raha ho ahy manokana izao dia tsy manam-potoana andehanana eny birao ny orinasa. Ka misy olana izay tsy mety afaka mihitsy ao anatin’ny fotoana maharitra. Ilay izy anefa misy fiantraikany mivantana amin’ny fiainana ato an-tokatrano. Isaorana noho izany ny orinasa mitsinjo ny vahoaka toy izao. », hoy i Mamitiana, mponina ao Ankadimbahoaka
