Mandrisika ny zaza Malagasy hianatra ny fisian’ny sakafo an-tsekoly.
Maro ireo ezaka hatao mba hamerenana ny zaza Malagasy any an-tsekoly. Antony maro no efa mahatonga azy ireny tsy hiditra an-tsekoly intsony. Eo ny tsy fanjarian-tsakafo mitarazoka, izay manjo ny mponina any amin’iny faritra atsimon’ny nosy iny ankehitriny. Mampihena ny tahan’ny zaza hihazo ny toeram-pianarana izany. Eo ihany koa ny faharatsian’ny foto-drafitr’asa izay mampihena tanteraka ny faharisihan’ny ankizy. Eo ihany koa ny antony maro samihafa avy amin’ny ray aman-dreny, izay tsy mandefa mihitsy ny zanany vokatry ny fahasahiranana mianjady amini’izy ireo. Mirona any amin’ny asa sahady ny ankamaroan’izy ireny. Tsy mbola hita matetika eto amin’ny renivohitra izany tranga izany, ireo toerana somary miala lavitra kely na any amin’ny faritra no tena ahitana azy. Horesahana manokana ny tranga tsy fanjarian-tsakafo any amin’ny faritra Androy sy Anosy, izay mampitsoaka ny ankizy any an-tsekoly mihitsy. Ho fanampiana azy ireo indrindra no nanomezan’ireo fikambanana samihafa sakafo azy any an-tsekoly. Miara-miasa tanteraka amin’izany ny fikambanana iraisam-pirenena misahana ny sakafo na ny PAM, ny Orange Solidarité, izay nanaome 183 tapitrisa ariary, ary fikambanana fitia. Hisy araka izany famatsiana sakafo mafana ireo mpianatra maherin’ny 6 000 any an-toerana. Fatran-tsakafo hatrany amin’ny 1 340 000 no hozaraina. Io araka izany no hany vatsy azon’ny mpianatra isan’andro hahafahan’izy ireo miatrika ny fianarany. Anisan’ny vahaolana mbola fohy ezaka izany fa ny fitadiavana vahaolana maharitra no tena zava-dehibe. Manoloana izany indrindra no nametrahan’ny tompon’andraikitra tetik’asa hanorina orinasa mpanodina sakafo any amin’ny faritra atsimo mba hisian’ny sakafo amin’ny vanim-potoana rehetra any an-toerana.
Fanilo Rarivoarilala
