Lybie : Mipetraka ny governemanta vaovao.
Ao anatin’ny fitondrana tetezamita ny any Lybie ankehitriny. Ny alatsinainy 15 martsa 2021 lasa teo no nandray ny andraikiny ny filohan’ny governementa any an-toerana. Nisy araka izany ny fihanihanana nataon’andriamatoa Abdelhamid Dbeibah, praiminisitra vaovao. Iray volana mahery taorian’ny nanendrena azy no nanaovana izany. Tanjon’ity praiminisitra vaovao ity ny hisintona ny fireneny hiala ao anaty korontana izay nandritran’ny folo taona mahery izao. Mandray ny asany araka izany ireo tarihiny mandrapahatongan’ny fifidianana ny volana desembra 2021. Minisitra maromaro araka izany no tarihiny. Manana tanjona telo izy ireo mandritra ny fotoam-piasany. Voalohany indrindra amin’izany ny fanarenana indray ny toe-karen’ny lybie,izay efa simba tanteraka vokatry ny ady nisy any an-toerana. Amin’ny alalan’ny solon-tany izay vokatra ao aminy no hanaovana izany Faharoa manaraka izany ny olan’ny fifindra-monina ataon’ny mponina any an-toerana vokatry ny ady hatrany. Efa misy araka izany ny fifanaraham-piara-miasa amin’ny firenena Tunisie, sy ny maro hafa. Fahatelo farany ny ady amin’ny mpampihorohoro,izay manimba tanteraka ity firenena ity ankehitriny.
