ActualitésTatitra

Chine : Tafon’ny kianja iray no nirodana tao Qiqihar

Tafon’ny kianja mitafo iray no nihotsaka tao Qiqihar, ao amin’ny faritanin’i Heilongjiang, tokony ho arivo kilometatra miala an’i Pékin. Olona 14 no nosintonina tao ambanin’izany ny alatsinainy teo raha ny tatitra. Efa namoy ny ainy ny 4 tamin’ireo raha maty taorain’ny fitsaboana azy kosa ny 6.

Raha ny fanazavan’ny Chine nouvelle dia karazana « verre volcanique » antsoina hoe « perlite » no nanamboarana ny tafon’ilay kianja. Noho ny oram-be niseho tao an-toerana dia niova io « matériau  siliceux » io ka niteraka ny fihotsahan’ny tafo.

Manoloana ny tranga kosa dia nosamborina ny mpitantana ny orinasa nisahana ny fanamboara ny kianja. Marihana fa matetika ny tranga toy izao ao Chine, antony ny fanorenana haingana ka mitarika amin’ny tsy firaharahiana ny fitsipika fototra momba ny fiarovana raha ny fanamafisana.

Laisser un commentaire