Maurice : Hisokatra ny volana novambra ny lalana La Vigie – La Brasserie
85% amin’ny asa fanamboaran-dalana dingana voalohany mampitohy ny La route La Vigie sy La Brasserie no efa vita raha ny tatitry ny minisitry ny fotodrafitrasa nasionaly sy ny NDU, Bobby Hurreeram. Ity dingana voalohany amin’ny tetik’asa mampifandray ny Link Road La Vigie – La Brasserie – Beaux Songes – Flic-en-Flac ity dia mirefy 6,2 km miala an’i La Vigie M1 mankany amin’ny « rond-point » La Marie.
Ny dingana faharoa mampitohy ny La Brasserie – Beaux Songes kosa dia mirefy 9,5 km ary vinavinaina ho vita amin’ny volana oktobra 2024. Ity tetik’asa lehibe dia mbola misy dingana fahatelo ihany koa dia ny Flic-en-Flac Bypass. 40% ny fitambaran’ny asa kosa no efa vita raha ny fanamafisan’i Bobby Hurreeram.
