Anjeva : Ramatoa iray mpivarotra legioma niaraka tamin’ny rongony saron’ny zandary
Ramatoa iray mpivarotra legioma, tao amin’ny kaominina Anjeva gara, no tratra nivarotra rongony, ny faran’ny herinandro teo. Teo ampivarotana izany izy no tratran’ny zandary avy ao amin’ny poste avancé Anjava gara ihany, araka ny voalaza.
“Rehefa nanao ezaka ny avy amin’ny zandarimaria dia sarona teo ampivarotra zava-mahadomelina ny vehivavy iray. Izay nafangarony tamin’ireo legioma namidiny. Nisy tamin’ireo mpanjifa izany ihany koa no tratra teo ampividianana” hoy ny avy amin’ny zandarimaria.
“Tena efa tsy kely lalana ny ratsy. Hisaorana ny zandarimaria amin’ny ezaka isan’andro mba hamongorona ireo mpanaparitaka zava-mahadomelina ireo ety an-toerana. Tena anisan’ny manimba ny tanora amin’izao fotoana ny zava-mahadomelina ka raha tsy misy ihany koa ny firaisan-kina dia ho ratsy hatrany ny akon’izany” hoy i Henintsoa, mponina ao Anjeva.
Tsy ny ao amin’ny kaominin Anjeva ihany, fa maro ireo kaominina amin’izao fotoana no hanaovan’ny zandary ezaka amin’ny famongorana ireo mpivarotra na mpanjifa zava-mahadomelina, amin’ny alalan’ny fandehanana eny ifotony sy ny fanentanana ny mponina ho sahy hitoroka raha mahita tranga eny amin’ny fiaraha-monina. Tsy vitan’ny manimba tanora sy ireo mpanjifa azy tokoa ny rongony ity fa mamotika sy manimba ny firenenana mihitsy.
Manitra R.
