Maurice : Trano 12 000 isa no hatsangana ho an’ny fianakaviana sahirana
Tonga nametraka ny vato fototry ny « Résidence Mon Rêve » tao Rose-Hill ny minisitry ny fitantanam-bolan’ny nosy Maurice, Renganaden Padayachy ny herinandro lasa teo. Tetik’asa fanorenan’ny Mauritius Housing Company Ltd izany izay mikendry fananganana trano 12 000 isa ho an’ireo fianakaviana sahirana.
Ankoatra ireo trano voatokana dia hisy trano 44 (appartements) maoderina, miaraka amin’ny dobo filomanosana sy kianja mitafo ihany koa ho hatsangana mba hanomezana fahafaham-po ireo fianakaviana isan-tsokajiny.
Raha ny antontan’isa dia trano 411 700 no tafatsangana tao amin’ny nous Maurice ny taona 2022 teo ary 90,4% amin’ireo fianakaviana dia tompon’ny tranony raha 88,8% izany tamin’ny taona 2011.
