ActualitésSocialTsidika

Ambohimanambola: Ao anatin’ny famitana ny asa ny fanamboarana ny gara lamasinina

Ao anatin’ny famitana tanteraka ny fanamboarana ny toeram-piantsoanan’ny fiaran-dalamby, ao Ambohimanambola sy Soarano amin’izao fotoana izao, ireo tomponandraikitra. Amin’ny talata izao no hanaovana ny andrana voalohany ny fiaran-dalamby izay hiasa, hanampy  sy hanatsarana ny fitaterana eto an-drenivohitra, araka ny voalaza.

“Mizotra ry miasa ara-potoana avokoa ireo mpanatanteraka ny fanamboarana ny lalamby sy ny toeram-piantsonana amin’izao fotoana. Miasa andro aman’alina izy ireo mba ahavitan’ny asa ara-potoana. Manomboka amin’ny talata ho avy io dia efa hiasa ny fiaran-dalamby hampitohy an’Ambohimanambola sy Soarano” hoy ireo tomponandraikitra avy ao amin’ny Somatrafer.

“Tena hita tokoa ny fiovana hatramin’ny nanamboarana ity gara ity. Anisan’ny nitondra fanatsarana ny tanàna izany, izay marihina fa tena tsy nisy fikarakarana mihitsy teo aloha kanefa azo lazaina ho vakoka azo hampidiram-bola tsar any gara. Hinoana sy hantenaina fa itondra fandrosoana ny fisokafan’izy io rehefa vita tanteraka” hoy i Sedraniaina, mponina ao Ambohimanambola.

Ireo gara Ambohimanambola sy Soarano moa sisa no anatin’ny famitana sy fanamboarana ankehitriny. Ny 15% ny asa sisa no tsy vita ao anatin’izany, raha ny voalaza hatrany. Tanjona napetraka moa ny ahavitan’izany tanteraka mialohan’ny fisokafany amin’ny talata 15 Aogositra.

Manitra R.

Laisser un commentaire