Mila jerena akaiky ny fampandoavan-ketra ireo sekoly tsy miankina
Vao tsy ela izay no nandefa filazana ny avy eo anivon’ny Foibem-pitantanana Ankapoben’ny Hetra na ny DGI ny amin’ny fangalana hetra amin’ireo sehatra tsy miankina. Hiteraka fahasahiranana ho an’ireo sekoly tsy miankina anefa raha tena hiroso amin’izay fangalàna hetra avy amin’ny fidiram-bola 10% ny avy ao amin’ny DGI.
« Hatramin’izay tsy mbola nisy fitakiana hetra tamin’ny sekoly tsy miankina mba hitsinjovana ny fampidirana ny ankizy an-tsekoly » hoy ny tompon’andraikitra avy ao amin’ny sekoly Katolika Masina Misely. « Tokny asiana mason-tsivana ny fakana hetra satria tsy mitovy ny saram-pianarana, tsy mitovy ny isan’ny mpianatra, ao ihany koa ireo sekoly tsy mampiditra CNaPS sy Ostie ny mpiasa ao aminy, tsy mitovy ny karaman’ny mpiasa izay tena tokony jeren’ny Ministera akaiky » hoy ireo avy ao amin’ny sekoly Katolika. Anisan’ny filamatra napetraky ny fitondrana ny hoe « Fanjakana manome tohana ny tsy miankina amin’ny fampidirana ny ankizy an-tsekoly ary ny sekoly tsy miankina dia mifanome tànana amin’ny fanjakana ».
Ilaina tokoa ny ara-dalàna ary zava-dehibe amin’ny fampadrosoana ny fiainam-pirenena ny hetra kanefa zava-dehibe ambony lavitra izany ny fanabeazana sy ny fitsaboana ny vahoaka Malagasy. Marina fa maro ireo misitraka tombontsoa manokana ao anatin’ny sehatra tsy miankina saingy ho fanampiana ny sehatra izay tsy mahasehaka ny vahoaka malagasy ihany izany.
Nicole Rafalimananjara
