Mihena ny rano ao Dabara
Misedra olana ny mpamboly ao amin’ny faritra Menabe amin’izao fotoana, manodidina ny 20 000 ha no tany azo volena tondrahan’ny ranon’ny dabara amin’izao raha 10 000 ha izany teo aloha. Niakatra avo roa heny ny velaran-tany fa saingy nidina dimy metatra toratelo isan-tsegondra raha roa ambinifolo metatra toratelo kosa ny rano teo aloha.
Tsy mahasahana intsony io velaran-tany io ara-kizany ny rano ao an-toerana, ka nisy ny fe-petra noraisina tao anatin’izany dia ny fifandimbiasan’ny fahazoana rano na ny « tour d’eau ». Vao tsy ela no nisy ny fitarainana ny amin’ny fahasimban’ny lakan-dranon’ny Marovoay, dia izao indray ity ny ao Dabara.
« Mijaly izahay mpamboly fa tsy misy ny rano, ny tany ho volena misy fa saingy lasa ngazàna fotsiny, aiza ireo mpitondra fanjakàna mba hidina an-tsehatra ety ifotony ? mila fananganana foto-drafitr’asa goavana mba hanarenana izao » hoy i Bako, mpamboly ao an-toerana.
« Noho tsy fikolokolozan’ireo mpampiasa ny tanim-boly sy ny rano ihany no mahatonga izao hany ka lasa olona maro mizaka vokany, rehefa tsy mikarakara fa faly higoka fotsiny dia zao no iafaràny » hoy kosa i Dety, mponina ao an-toerana.
Nilaza kosa ny gouvernoran’ny faritra Menabe fa « ny fandaminana napetraka tsy voahaja no mahatonga an’io, misy manimba ny reglage ao an-toerana ka tsy maintsy nadefasana mpitandro ny filaminana hiambina azy; ka efa tsy misy mikitika intsony izy izao » tsy maintsy hivory araka izany ny kaomity mpiahy io ranon’ny Dabara io, ka handinihana izay fanapaha-kevitra tokony atao.
« Fandehanana ifotony sy fikatsahana rano avy amin’ny lohasaha hafa hanampiana ny ranon’ny Dabara no tokony hatao mba tsy hisian’ny fihenan’ny rano tanteraka sanatria, satria hiditra amin’ny vanim-potoan’ny main-tany isika izao”hoy i Faby, injeniera amin’ny resaka fambolena iray.
Naharaisana fitarainana matetika sy maromaro ny eo amin’ny lafiny fambolena ka mampametra-panontaniana ihany hoe, tsy manao ny asany tokoa ny minisitra sy ny tompon’andraikitra misahana izany sa ny lafiny fambolena mihintsy no miha-ratsy noho ny fiovaovan’ny toetr’andro ?
Lovasoa Tojonirina
