Mitohy hatrany ny fampiofanana ireo mpisehatra amin’ny fizahan-tany
Mihomana sahady amin’ny hisokafan’ny sisi-tanin’i Madagasikara ireo mpisehatra eo anivon’ny fizahan-tany, indrindra ny eto amin’ny faritra Analamanga. Mitohy hatrany ny fampiofanana azy ireo mahakasika ireo fitsipika ara-pahasalamana tsy maintsy arahina ho fanakanana ny fiparitahan’ny valan’aretina covid-19.
Ny toeram-panofanana Vatel ao Ambatoroka no nampian-trano ireo mpiasa avy amin’ireo orin’asa mpamolavola fivahinihanana. Tanjona kendrena amin’izany ny hahafahan’i Madagasikara mahafeno ireo fenitra takian’ny vondrona iraisam-pirenena amin’ny fahazoana mandray mpizaha-tany vahiny indray, vantany vao misokatra ny sisin-tany. Tsy miady irery ireo mpisehatra amin’ny fizahan-tany fa misy ireo Minisitera voakasika anatin’izany no manampy azy ireo amin’ny fampiofananaIsan’ny sehatra nitondra takaitra noho fisian’ny valan’aretina teto amintsika ny sehatry ny fizahan-tany.
Volana maro lasa izay no niato tanteraka ity sehatra ity, vokatry ny fikatonan’ny sisi-tany. Maro noho izany ireo orin’asa izay nanajanona ny mpiasa tao aminy noho ny fikatsohan’ny asa. Olona maro sy sehatra samihafa no very asa noho izany. Ny fizahan-tany nefa no isan’ny mampiakatra ny toe-karena eo amin’ny firenena iray, raha tsy hilaza hafa tsy ny fifanakalozana ara-bola aterak’izany. « Mino izahay fa efa fotoana mety izao hisokafan’ny sisi-tany, efa nahazo fampiofanana nandritra ny fotoana maro ireo mpisehatra rehetra misahana izany » hoy i Fanja, tompon’andraikitra eo anivon’ny fampiroboroboana ny fihazan-tany. « Mbola misy eto amintsika ny covid-19, mbola tsy resy izany ankehitriny. Tokony atao laharam-pahamehana ny hanafoanana izany eto amin’ny firenena fa tsy ny hisokafan’ny sisi-tany. Ny fahataràna teo amin’ny fandraisana ny fepetra amidina ny sisi-tany no nidiran’ny valan’aretina teto amintsika raha hiverenana ny tantara » hoy i Lala, Malagasy manana iray tampo lavon’ny coronavirus.
« Anatin’ny ezaka fanarenana ny fizahan-tany sy fanatsarana ny tanana ny fanamboaran-dalana ataon’ny fitondram-panjakana. Ho fisintonana ireo mpizaha-tany vahiny hitsidika an’i Madagasikara sy ho famerenana ny fizahan-tany toy ny teo aloha sy ho fanarenana ny toe-karena no anton’izany » hoy i Rija, miasa’ny Minisiteran’ny asa vaventy. « Efa misy izao ny vaksiny iadiana amin’ny aretina ka tsy tokony atao sakana hamahana ny sisi-tany intsony ny aretina izay misy manerana ny firenena maro, ny tokony ataon’ireo mpisahana ny fizahan-tany dia ny fitakiana ny kara-baksiny amin’ireo vahiny tonga mitsidika, izany hoe fepetra takiana amin’ireo mpitsidika ny fahavitana vaksiny miaro amin’ny aretina » hoy Dr Njiva.
Mitondra fampandrosoana betsaka ho an’ny firenena ny lafiny fizahan-tany, indrindra ny fivelarana sy ny fifaneraserana amin’ny firenena hafa. Ilaina noho izany ny fisokafana amin’ny firenena avy any ivelana ho fanarenana ny toe-karena sy ho fampivoarana ny sehatra ara-barotra eo anivon’ny firenena mikambana. Azo antoka ve fa tena hahafehy ny fisorohana amin’ny mety hisian’ny aretina vaovao toy ny Variant Delta ny fampiofanana nomena ireo mpisehatry ny fizahan-tany ?
Haingo Andriamihaja
