ActualitésTsidika

Nisy ny fanadihadihana natao ny talen’ny orinasa vaventy eny anivon’ny fitantanana ny hetra

Nanaovan’ny Birao Ifotony ho an’ny kolikoly na ny Bianco fanadihadihana ny talen’ireo orinasa vaventy, Razanadrakoto Irma mikasika ny kolikoly sy ny fananan-karena tamin’ny fomba tsy mazava. Misy resaka tsy ara-dalàna noho izany ao amin’ny foiben’ny fitantanana ny hetra amin’ny ankapobeny ao.

« Manana trano raitra izy eto Madagasikara,any Eoropa,ary any Etazonia. Manana fiara raitra ihany koa toy ny V8 miisa 7, Q7 miisa 5 ary Tiguan miisa 4. Ny zanany mianatra ao amin’ny American SchooL nandritra ny 10 taona,mihoatra ny 1tapitrisa dolara » hoy ny avy ao amin’ny Bianco. « Mila fihanana mihitsy ny kolikoly eto amintsika, ny avo ihany no vao maika lasa avo fa ny ambany dia ambny foana eny ihany » hoy i Hervé, mpianatra eny amin’ny anjerimanontolo. « Ny mpiasa rehetra mihitsy no tokony manao fanamarinam-pananana mba hisian’ny ara-dalàna eto amin’ny firenena, mbola miafina any manko izao ny mpihinam-bolam-bahoaka » hoy i Honorine, mpahay lalàna.

Marihina fa ity natao fanadihadihana ity no hisolo toerana an’i Germain izay saika hanafoana ny « ventes en ligne » teo aloha avy ao amin’ny fitantanana ny hetra. Rahoviana tokoa vao ho foana ny tsy ara-dalàna sy ny kolikoly eto amintsika ?

Nicole Rafalimananjara

Laisser un commentaire