Trozona hita faty tao « Faux-camp » faritra Androy.
14 Septambra, 14h14. Nisisika sy nifanaretsaka ireo mponina tao Androy raha nahita ity trozona hita faty, haka ny hena sy menaka an’io biby io no tanjon’ireto vahoaka. Tsy niandry ela anefa fa avy hatrany dia nandray andraikitra, ny ministeran’ny Jono sy ny toe-karena manga tamin’ny alalan’ny Service Régional de la Pêche et de l’Aquaculture (SRPA) Androy amin’ny fandraràna ny mponina mba tsy ihinana ny henan’ny trozona sy ny menaka azo avy aminy.
