Dépêches

Rivo-doza: Mahery ny 11 000 ireo nahazo tolotra ara-pahasalamana

11 Martsa, 13h00. Mahery ny 11 000 ireo olona nisitraka fitsaboana nandritra ny fandalovan’ny « Caravane de la santé » tany amin’ireo faritra nandalovan’ireo rivo-doza teto amin’ny nosy. Isany tamin’izany ny faritra Vakinakaratra, Amoron’i Mania, Vatovavy, Fitovinany.

« Tany amin’ny faritra Fitovavy no tena nahitana marary betsaka indrindra. Nahatratra 3 443 ny marary nila fitsaboana tany amin’io faritra io » hoy ny mpitsabo iray. « Isan’ny nisarika betsaka ny olona hanatona ny “caravane de le santé” ny fisian’ny fanolorana solonify avy amin’ny Fikambanana Fitia. Izany rahateo no isan’ny nampiavaka ny tolotra ara-pahasalamana hatramin’izay » hoy ny avy ao amin’ny Ministeran’ny Fahasalamam-bahoaka. Betsaka no nankasitraka izao hetsika ho an’ny fahasalamana taorian’ny andro ratsy izao. Irariana ny hitohizan’izany hatrany mba hahafahan’ny vahoaka salama lalandava. 

Laisser un commentaire