Dépêches

Mandritsara : Lehilahy iray namono olona no novonoin’ny fokonolona

11 Martsa, 14h00. Raha tsiahivina dia vehivavy nanodidina ny 30 taona avy tao Antanantsara Kaominina ambanivohitra Ankiabe Salohy no hita faty ny 6 martsa teo rehefa avy naka vola tao Pont Sofia. Lehilahy iray antsoina hoe Gigy kosa no nitonotena tamin’ny famonoana azy. Nanazava ity lehilahy 47 taona ity fa norobainy ny volan’io vehuivavy io, nitoriany fitiavana izay saingy tsy nanaiky azy ka naolany ary novonoiny mba tsy ho fantatr’olona ny zava-nisy.

Voasambotry ny fokonolona tao Ambodivoarabe, Pont Sofia distrikan’i Mandritsara izy omaly 10 martsa, ka niharain’ny fitsaram-bahoaka ary novoin’ny havan’io vehivavy maty io tamin’ny fomba feno habibiana ihany koa.  Notetitetehin’izy ireo io lehilahy io, niezaka niantso mpitandro filaminana ny Sefo Fokontany mba nisorohana ny fitsaram-bahoaka saingy tara loatra.

Laisser un commentaire