Andranomanelatra : Nanome fanazavana ilay mpivarotra voarohirohy nanaodikodina vary tsinjo
11 Martsa, 15h00. Niparitaka tamin’ny tamba-jotra sosialy fa nisy mpivarotra iray tao Andranomanelatra Antsirabe II, nanodinkodina vary tsinjo 6 taonina na 120 gony, izay voalaza fa noviadian’izy ireo 102 000 Ar ny vary iray gony. Tsy nisy fanodinkodinana velively nefa tao hoy ity mpivarotra ity, mpamongady tao Faratsiho hoy izy no nividianany ny vary ary ireo mpivarotra tany an-toerana ireo no nilaza fa tany amin’ny foibe no nahazoany ireo vary ireo, izay ara-dalàna sy misy faktiora.
Efa hitan’ny zandary sy ny Ministeran’ny Varotra ihany koa ireo vary ireo raha ny voalazan’ity mpivarotra ity.
Ny Ben’ny tanànan’ny Kaominina Ambanivohitra Andranomanelatra kosa nefa dia nilaza fa tsy mahafantatra ny fisian’io raharaha io , izy izay efa nanatanteraka ny fivarotana vary tsinjo tao amin’ny Fokotany tamin’ny Vidiny 500Ar ny Kapoaka.
