Dépêches

Pasipaoro : Nasiam-panovana ny lamina eo amin’ny fanomezana pasipaoro

Dépêche 14 avril, 10h30, Noho ireo fitarainana maro voarain’ny sampana mpanome pasipaoro dia nasiam-panavaozana ny lamina rehetra napetraka. Araka ny fantatra dia tokony hanana ny antony handehanana mivoaka any ivelany ny olona iray maka pasipaoro, nahato vonjimaika ny fangatahana izany. Ny tena anton’izany dia hahafahana manafaingana ny fandinihana sy ny fankatoavana ny antontan-taratasy ilaina. Hisy ihany koa ny mpanara-maso avy amin’ny IGPN mba hanatrika ny fikirakirana ireo fangatahana pasipaoro ary miaraka amin’ireo sampana miady amin’ny koliloky izy ireo amin’izany. Mitentina 190 000ariary ihany ny vola takiana hahazoana io pasipaoro io ary efa misy ny laharana azo antsoina raha toa ka misy olona na polisy mangataka vola ambonin’izany: 034 05 507 34.

Laisser un commentaire