Menabe: Mitohy ny hetsika ho an’ny tsy fandriam-pahalemana
18 Novambra, 09h15. Mitohy ny hetsika hanatrarana ny “Tolérance Zéro” araky ny toromariky ny praiminisitra lehiben’ ny Governemanta sy ny Sekreteram-panjakana miadidy ny zandarimariam-pirenena amin’ny lafiny tsy fandriam-pahalemana. Olona valo mpikambana amina tambazotra mpamotsy taratasin’omby no nampidirina am-ponja vonjimaika ao Morondava ny 16 novambra teo. Nogiazana araka izany koa ity fiara vaventy nitondra ireo omby halatra.
