Fanadinam-panjakana CEPE
Dépêche 19 Juin 16 h30 : Manodidina ny 515081 isa ireo kandinda hiatrika ny fanadinana CEPE rahampitso 20 Jona. Foibem-panadinana 1995 manerana an’i Madagasikara no handray ireo candida ireo ary hitsinjara amin’ireo efitranom-panadinana miisa 147954. Ity anton-tanisa ity dia nahitana fidinana eo amin’ny 2 isan-jato eo raha mihoatra ny tarehimarika voatahiry nandritra ny CEPE ny taona 2022. Efa tomombana avokoa moa ankehitriny ny fandaminana rehetra entina mananteraka izany fanadinam-panjakana izany.
