Dépêches

Analanjirofo

Dépêche 19 Juin 17 h 00:  Tsy mitsaha-miakatra ny tahan’ny fampiasana zaza tsy ampy taona eto Madagasikara ary anisany ahitana betsaka izany ny faritra Analanjirofo. Ankehitriny dia tafiakatra ho ny 29 isan-jaton’ny ankizy eo anelanelan’ny 5 hatramin’ny 17 no mialan ny sekoly ka miasa mampidi-bola any amin’ity faritra ity. Amin’ity salan’isa ity dia ny 33 isan-jaton’izy ireo no lehilahy raha toa kosa ka 26 isan-jato no  vehivavy .Ny asa famokarana jirofo sy ny lavanila sy karazam-pambolena hafa no tena ataon’ ireo ankizy ireo.

Laisser un commentaire