ActualitésTatitra

Etats-Unis : Efa nikasa namono ny rainy i Will Smith

Nilaza i Will Smith ny herinadro lasa teo fa efa nikasa namono tena. Tao aoriana kelin’izany dia nanambara ihany koa izy fa efa nikasa namono ny rainy. Nitantara ny fahoriana tao ambadiky ny fahazazany i Will Smith, nanahirana hoy izy ny fiarahan’ny rainy, William Carol Smith sy ny reniny Caroline Bright. »Nahery fihetsika ny raiko saingy teo foana izy tamin’ireo hetsika nataonay efatra mianadahy na lalao na fampisehoana. Mamolava ihany koa izy nefa tsy mba nisotro isakin’ny nanatrika ny famoahana voalohany ny horonantsariko » hoy izy.Teo amin’ny fahasivy taonako kosa hoy i Will Smith no tena nahitany fihetsika nataon’ny rainy nampiova ny fiainany. Novelesin’ny rainy teo amin’ny lohany ny reniny raha ny fanazavany ary tsy nahatsiaro tena sy vaky rà. Nanomboka teo hoy Will Smith dia natolony ho an’ny reniny avokoa ny fahombiazany ho mariky ny fifonany aminy noho ny tsy nahafahany niaro azy tamin’io fotoana io.Tsiahivina fa ny 2000 no vita fisaraham-panambadiana tamin’ny fomba ofisialy ny ray aman-drenin’i Will Smith rehefa nisaraka nandritra ny fahatanorany. Ny taona 2016 kosa i William Carol Smith no matin’ny homamiadana.

Laisser un commentaire