ActualitésTatitra

Belgique : Efa maherin’ny enim-bolana no tsy hita i Emilie Leblanc

Tovovavy 17 taona monina ao Louvrière i Emilie Leblanc. Tsy hita popoka nanomboka ny 8 jona 2022 teo izy hatramin’izao. Tsy mbola nandrenesana vaovao ihany koa momba azy tao anatin’izay fotoana izay.

Manoloana izany dia manao antso avo ny fianakaviany izay miara miasa amin’ny fampanoavana ao Mons sy ny Child Focus amin’ny fikarohana azy. Marihana tsy misy lalana azo arahina mihitsy amin’ny fikarohana an’i Emilie Leblanc. Mistery tanteraka ho an’ny rehetra ny fanjavonany.

Laisser un commentaire