ActualitésTsidika

Fananan-tany : Tokony ho amidy amin’ny vahiny ve ny tanindrazana ?

Olana matetika mampivezivezy eny amin’ny tribonaly ny resaka fananan-tany, ary tena mampiady sy mampisara-bazana mihitsy izany. Tany tan-dalàna anefa i Madagasikara ka tsy maintsy nandray ny andraikitra ny avy eo amin’ny Ministeran’ny fananan-tany ka hizara kara-tany miisa 1 350 000 ao anatin’ny roa taona.

« Betsaka ny hosoka mikasika ny tany ka tsara raha mazava tsara izany mba ahafahan’ny fanjakana miaro antsika » hoy ny Minisitry ny fanajariana ny tany, Andrianainaharivelo Hajo. « Ny Malagasy kely rehefa miady tany dia atao mahita mihitsy, kanefa ny tany omena ny vazaha fotisny tahaka ilay any Toamasina II amin’izao, izay tena mampitaraina ny vahoaka mihitsy » hoy i Lanto, mpianatra ao amin’ny FDSP Ankatso.

« Raha ny lalàna dia tsy tokony hahazo tany eto Madagasikara ny vahiny kanefa ao ireo gasy minia mivarotra izany noho ireo vahiny sahy lafo be » hoy i Frederic, mpahay lalàna. Maro ihany koa anefa ireo mpisandoka, izay efa hita tsikelikely amin’izao fotoana izao, ary mila ny fiaraha-miasa amintsika vahoaka hatrany amin’ny fisamborana azy ireny. Tsy tokony ho amidy amin’ny vahiny ny tanindrazana satria tanintsika ity, ary isika Malagasy ihany no tokony ho tompony.

Nicole Rafalimananjara

Laisser un commentaire