Tontosa ny fizahana ara-pahasalamana sy fandidiana maimaim-poana
Manatontosa fizahana ara-pahasalamana sy fandidiana hernie, kyste de l’ovaire, appendicite ary famorana maimaim-poana ny Clinique Saint Georges Ambondromamy. Hetsika nanomboka natao ny 29 sy 30 jolay teo. Nosokafan’ny minisitry ny fahasalamana, profesora Rakotovao Hanitrala Jean Louis sy ny Senatera Professeur Odilon Tiandaza tamin’ny fomba ofisialy omaly izany.
Tsiahivina fa nisokatra ny volana Aprily teo no nisokatra tamin’ny fomba ofisialy ity Clinique tsy miankina Saint Georges ao Ambondromamy distrika Ambato-Boeny ity. Izy no toeram-pitsaboana tsy miankina voalohany ao Ambondromamy. Sampana amin’ilay Clinique Saint Georges Mampikony ihany izany.
“Tanjona vohizin’ireo toeram-pitsaboana roa ireo ny fanasoavana ny mpiara-belona” hoy ny Talen’ny Clinique, Adrien Rivo. Nanamafy ny Dr Odilon Tsarahita, mpitsabo mpanorina ary tompon’andraikitry ny Clinique Saint Georges fa “vonona hatrany handray ireo mila fitsaboana”. Maneho fitarainana kosa nefa ny mponina ao an-toerana noho ny vidin’ny fitsaboana, “izahay izany mba mangataka hoe atao amin’ny vidiny mirary ilay izy” hoy ny fitarainan’ny marary iray.
Fiaraha-miasa amin’ny ADEM (Association pour le developpement equitable à Madagascar) sy ny ACM (Association Medico-chirurgicale) kosa no nahatanterahana ity hetsika ity. Talohan’izao dia efa nisy koa ny famorana maimapim-poana ny 24 jolay teo izay nandraisana zaza 60.
