SocialTatitra

Etats-Unis : Polisy iray namono olona malemy

Lehilahy 61 taona nandeha « fauteuil roulant » nantsoina hoe Richard Lee Richards no noahiahian’ny mpivarotra tao amin’ny toeram-pivarotana lehibe iray fa nangalatra ka niantso polisy. Rehefa tonga teny an-toerana ny polisy iray antsoina hoe Ryan Remington dia nitaky ny rosia fanamarinana ny entana novidiny tamin’ity lehilahy lehibe ity.Antsy nefa no navoakan’ilay lehilahy malemy sady niteny izy hoe « iny no rosia anao ». Mbola namerina ny fangatahany i Ryan Remington ary nangataka tamin’i Richard Lee Richards hampirina ny antsiny saingy tsy nanaiky izy sady nivoaka ny toeram-barotra ka notifirin’ity polisy ity.Tsy amperinasa nefa io polisy io tamin’io fotoana io hoy ny lehibehiny Chris Magnus nefa nampiasa ny fahefany tao amin’io tsena io tamin’ny tranga tsy voamarina, ka andalam-panatsaharana azy amin’ny asany ireo tompon’andraikitra. Marihina fa bala 9 no tao amin’ny lamosiny sy tao amin’ny « côte ».

Laisser un commentaire