Espagne : Hita tao an-toerana ny sahan-drongony lehibe indrindra ao Europe
Noalokalofana ho « chanvre industriel » ity sahana rongony lehibe hita tao Huerta de Valdecarábanos, akaikin’i Toledo ity. Velaran-tany toy ny kianjana baolina kitra 15 no misy azy ary nisy fototra rongony 135 000 teo aminy. Rehefa nanadihady ireo mabnam-pahefana izay nihevitra fa « chanvre industriel » io fambolena io dia nahita izy ireo fa « Cannabis Sativa » novolavolaina na « génétiquement modifié » ho toy ny « chanvre tsotra » io rongony io.
Sahan-drongony lehibe indrindra ao Europe ity tra-tehaka volana vitsivitsy lasa teo ity. Olona telo no nosamborina tamin’izany, hotsaraina noho ny heloka bevava manohitra ny fahasalamam-bahoaka sy ny fikambanana amin’ny vondrona mpanao heloka bevava izy ireo ary noho ny heloka bevava manohitra ny zon’ny mpiasa ihany koa. Nampiasa olona enina nikarakara io saha io tsy nisy fifanarahana sy niaina tamin’ny toerana tsy zarizary mantsy ireo olona telo ireo.
