Ankadikely Ilafy : Nahazo fiara vaventy ny kaominina
Notoloranaa fiara vaventy hanamorana ny fitaterana ny fako ny Kaominina Ankadikely Ilafy. Ny « Fondation Sodiat » sy ny « Andry sy Fototra Ho an’ny Fampandrosoana » (AFF) no nanolotra ireto fitaovana ireto. « Manome toky izahay fa hikojakoja ireto fitaovana ireo ary hampiasa izany ho tombotosan’ny Kaominina » hoy Rajaonah Rija, ben’ny tanàna Ankadikely Ilafy. »Ny hitaomana azy eo ihany fa ny asiana ny fako no tokony hampiana mba tsy hiparitaka be ny fako indrindra ny eto Ilafy sy ny any Antsapandrano izay toerana be olona » hoy i Baovola, mponina any Ilafy. « Rehefa misy ny fitaovana dia madio ny tanàna, kanefa mila ny fiaraha-mientan’ny rehetra izany mba hanariana ny fako any amin’ny toerana voatokana ho amin’izany fa tsy sanatria manary fako eny rehetra eny » hoy i Hillarie, mpiaro ny tontolo iainana.Irariana mba hitondra fahadiovana sy filaminana eo amin’ny vahoaka sy ny kaominina iray manontolo izao hetsika ho an’ny fanadiovana izao. Rehefa madio tokoa mantsy ny manodidina dia misokatra ny saina ka afaka mandinika izay ho entina hampandrosoana ny firenena. Rehefa miasa sy miezaka ny mpitondra iray dia tonga ho azy ny mpanohana sy ny mpamatsy vola.
Nicole Rafalimananjara
