Alasora : Toka-trano iray voatafika, tafatsoaka ireo jiolahy
Nisehoana tranga fanafihana tao amin’ny tokantrano iray, tao amin’ny fokontany Ankazobe, Alasora, ny alin’ny alarobia hifoha alakamisy teo, tokony ho tamin’ny 1ora maraina. Nanaitra ny manodidina nandritra izany ny fandrenesana poa-basy in’enina nisesy, araka ny voalaza.
«Nisy tokan-trano iray nidirana olon-dratsy tao an-tranony saika hangalatra, ary efa tafiditra tao ireo olon-dratsy ireo hangalatra ireo entana hita sary ireo ny sasany. Nahazo antso ny Police ary tonga ara-potoana ka nanao tifi-danitra hanairana an’ireo mpangalatra tafiditra an-trano, tafatsoaka ny mpangalatra roalahy ary tsy nahazo na inona na inona fa voadidina police ny manodidina ka ireo ny santion’ny entana nangalariny » hoy ny avy amin’ny CSP Alasora.
« Mila mametraka paik’ady mahomby ny polisim-pirenena manoloana ny asan-jiolahy miseho matetika eto amin’ny kaominina. Zava-dehibe ny famaizana ny olon-dratsy ary tokony ho fitaratra izy ireo amin’ny famongorana sy fisamborana ny jiolahy. Izy ireo irery no antenain’ny vahoaka hiaro azy sy ny fananany » hoy i Toky, raim-pianakaviana.
Manao ezaka hatrany ny polisim-pirenena amin’ny fampandriana ny fahalemana ao amin’ny kaominina. Ao anatin’izany anefa dia manentana hatrany ny mponina izy ireo mba hiara-hiasa sy hiara-hientana ary hifampilaza vaovao raha toa ka misy trangan-javatra miseho eny amin’ny fiaraha-monina. Ny kaomisarian’ny polisy ao Alasora moa dia azo antsoina amin’ny laharana 0340751719 na 0340553108.
