ActualitésTatitra

ONU : Mihoatra ny 41 000 tapitrisa USD ny vola ilain’ny ONU amin’ny taona 2022

Mila 41 000 tapitrisa dollars ny ONU amin’ny taona 2022 hamonjeny olona 182 tapitrisa tena marefo amina firenena 63 maneran-tany hoy ny OCHA (Bureau de coordination des Affaires humanitaires de l’ONU) ny alakamisy teo. Lohalaharana ao anatin’iolisitra io i Afghanistan, Éthiopie ary Birmanie.Olona 274 tapitrisa maneran-tany no tena sahirana manoloana ny valan’aretina raha ny fanazavan’izy ireo ary 182 tapitrisa amin’ireo no tena marefo. Niakatra 17% izany raha oharina ny tamin’ity taona 2021 ity hoy Martin Griffiths, sekretera jeneraly lefitry ny ONU misahana ny raharaha maha olona. Raha tsiahivina dia 35 000 tapitrisa dollars ny vola nampisain’ny ONU manoloana izany tranga izany tamin’ity taona ity.

Laisser un commentaire