Royaume-Uni : Nanamboatra hazo noely vita tamin’ny fako ny ben’ny tànan’i Londres
Nasehon’ny ben’ny tànanan’i Londres (Lord-maire) Vincent Keaveny ny daholobe ny hazo noeliny vita tamin’ny fako teo an-davarangan’ny toeram-ponenany Mansion House. Avy tamin’ireo mpandroaka fako sy mpisahana ny fako no nanangonany ireo fako nadrafetany ny hazo ireo, raha ny fanazavany.Antony hoy izy ny fanehoana ny fako aparitaky ny tsirairay nanadritra ny vanim-potoanan’ny fety indrindra ihany koa ny fampitan-kafatra amin’ny rehetra fa afaka mankalaza noely maharitra (durable) ihany kosa izy ireo. Marihina fa korotam-by, plastika, fitoavana samihafa sy kapoaka no tena mandrafitra ity hazo noely ity.
