Italie : Ray aman-dreny tsy manaiky hanomezan’ny olona vita vaksiny rà ny zanany
Zaza 2 taona manana aretim-po ao Italie tokony hiatrika fandidiana no tsy afaka hanaovana izany noho ny fandavan’ny ray aman-dreniny hanomezan’olona vita vaksiny fanefitry ny Covid-19 rà azy. Tao amin’ny departemantan’ny « cardiologie pédiatrique de la polyclinique » tao Bologne no tokony nodidina io zaza io, ary efa teo ampanaovana sonia ny taratasy ireo ray aman-dreny no nihemotra rehefa nahita fa olona vita vaksiny no hanome rà ny zanany.Manahy ny fifindran’ny vaksiny amin’ny alalan’io rà io ireo ray aman-dreny ireo. Niezaka nandresy lahatra azy hatrany nefa ny mpitsabo ny fahasarotan’ny fahasalaman’ny zaza ary nirotsaka an-tsehatra nandresy lahatra ny ray aman-dreny mihitsy ny filohan’ny « Fédération nationale des ordres médicaux ». Nihitatra teny amin’ny fitsarana nefa ny raharaha. Ny tribonalin’i Modène no misahana izany ary nilaza ny mpitsara tao an-toerana fa mila atao ny fandidiana ho fitsinjovana azy ilay zaza marary mafy, ary manana safidy amin’ny olona manome rà ny zaza ny ray aman-dreny noho ny dingana mifehy ny fanomezana (don).
