Ukraine : Efa vonona ireo mpiambina ny sisintany raha hanafika i Russie
Voahodidina fefy ny sisintanin’i Ukraine. Efa miandry miaraka fitaovam-piadiana ireo mpiambina ny sisintany ao an-toerana. Ho an’i Ukraine dia mamaritra fandrahonana io sisintany iraisany amin’i Russie io. « Miambina hatrany izahay, izahay no tompon’andraikitra voalohany raha manafika i Russie » hoy i Mykola Féryne, manamboninahitra misahana ny fiambenana ny sisintany.Valo taona lasa talohan’ny fifandirana nefa dia tsy hita akory ny tsipika nampisaraka an’i Russie sy Ukraine. Mbola niaina tao anaty firahalahiana sy fifanarahana ara-toekarena tanteraka ny roa tonta. Ny fahamafisan’ny fifandirana kosa no nanosika an’i Kiev nanamafy izany sisintany iraisana izany. Marihana efa misy miaramila 100 000 mahery vonona hanafika eo amin’ny sisintanin’i Russie.
