ActualitésTatitra

Mali : « Jihadiste » am-polony no lavo

Manodidina ny 30 ny « jihadiste » lavon’ny tafik’i Europe mivondrona ao Takuba sy ny tafik’i Mali nandritra ny fanafihana notontosain’izy ireo ny 1 hatramin’ny 6 febroary teo. Tao amin’ny faritra antsoina hoe « trois frontières » no natao izany fanafihana izany, araka io anarana io sisin-tanin’i Mali, Burkina Faso ary Niger io faritra io.Voalohany tamin’ny fiaraha-misan’ny tafik’i Mali sy ny tafik’i Europe mivondrona ao Takuba no nahazoana io vokatra io, hoy ny etamajoron’i France. Nanamafy izy fa fitaovam-piadiana sy fanamboarana « engins explosifs » maro ihany koa no tratran’izy ireo nandritra ny fanafihana.

Laisser un commentaire